2012 – L’Express de Madagascar

L’Express de Madagascar Quotidien d’information et d’analyse RTA MOBILE Friends SMS 80 ar / Appel 5 ar/sec RTA Radio Télévision Analamanga

Vokatry ny dona – Miteraka fahavoazana maro ny ratra ara-tsaina

D’abord l’original en malgache, puis en français en dessous…

Jean Boivin sy Dokotera Marie Claude Lénès manam-pahaizana manokana momba ny ampahoriana

Tsy olona adala, tsy olona marary kanefa manana ratra ara-tsaina. Noho ny ferin’ny tantara nahazo ny olona iray no fantatra fa mahatonga ny ratra ara-tsaina izay mitamberina foana tsy mety afaka eo amin’ny fiainana andavanandron’ilay olona. Azo ialana tsara anefa izany ary tsy fotoana ela noho fitsaboana manokana ataon’ny manam-pahaizana mahakasika izany. Io no antsoina hoe : fialana amin’ny toeran’ny ampahoriana (victimologie).

Tsy dia fantatra loatra eto Madagasikara ity tranga iray ity, saingy iainanan’ny tsirairay andavanandro. Misy ny paikady hananganana toeram-piofanana mahakasika izany atsy ho atsy, hiarahana amin’ny « Formation médicale continue sans frontière (Fmcsf) ». Manam-pahaizana profesora maromaro no mivondrona ao anatin’io fikambanana io, ka misy no mandalo eto Madagasikara.

« 30 taona teo ho eo aho izay no nifandray sy nifanerasera tamin’ny manam-pahaizana manokana mahakasika ny fitsaboana ny dona sy ny ratra ara-tsaina. Nitety firenena maro tany Amerika, Eoropa, Maroc ary aty amin’ny Ranomasimbe indianina tamin’izany. Nahafahana namoaka fomba manokana fitiliana sy fitsaboana ireo olona iharan’ ny dona sy ratra ara-tsaina izany », hoy ny dokotera Marie-Claude Lénès, manam-pahaizana manokana mikasika ny ampahoriana, isan’ireo tonga eto Madagasikara, ny zoma teo.

Ireo olona tratry ny ampahoriana

Araka ny voalazan’ity manam-pahaizana manokana ity dia ireo olona iharan’ny herisetra isan-karazany no atao hoe ampahoriana. « Ankoatra ny loza dia eo ihany koa ireo herisetra na ara-batana, na ara-pananahana, na ara-psikolojia ; ireo herisetra nihatra tamin’olona miaraka na tsirairay ; ireo herisetra atao amin’ny ankizy. Ireo rehetra ireo dia matetika no mijanona ao an-tsain’ilay olona niharany. Hany ka mandindona azy foana izany eny amin’ny fiainany andavanandro », hoy ihany ity mpitsabo ity.

Vokatry ny ampahoriana

Ny olona iray tratry ny ampahoriana dia mety hahavita zavatra tsy ampoizina mihitsy. « Mety tsy vokatry ny fony na fanahy iniana no hanaovany ilay zavatra fa noho izy tratry ny ampahoriana. « Mety hahavita hamono tena mihitsy ilay olona raha toa ka tsy misy fandraisana andraikitra ataon’ny mpiara-monina na ny tompon’andraikitra ara-panjakana na fiarahamonim-pirenena aminy. Izay no antony maha zava-dehibe ny fianarana ny fitsaboana ny ampahoriana ho an’ny olona rehetra. Tsy azo lazaina ho marary saina ny olona voan’ny ratra ara-tsaina, nefa kosa misy zavatra tsy tomombana ao anatin’ny sainy », hoy kosa Jean Boivin, talen’ny Fmcsf any Montpellier-Frantsa, isan’ireo mandalo eto Madagasikara ihany koa.

Voakasika ny polisy, zandary ary mpikirakira ny fitsarana

Nitsotra ity manam-pahaizana manokana misahana ny ampahoriana ity, fa tsy ho vita ny hanome fiofanana na fampahafantarana ny olona tsirairay. « Ny zavatra ataonay amin’ireo firenena rehetra izay mangataka ny hanaovana tetikasa dia manofana ireo tompon’andraikitra na ara-panjakana izany, toy ny zandary, ny polisy, ny mpiandry fonja, ny mpahay lalàna, na ireo avy amin’ny fiaharamonim-pirenena na fikambanana tsotra sy ny maro hafa. Ireo olona avy niofana no mampihatra ny fahalalany any amin’ny andraikitra izay misy azy tsirairay. Azo tsapain-tanana avy amin’ireo fangatahana hanohizana ny fiofanana indray, avy amin’ireo firenena efa nandehananay, ny fahalinan’ny olona amin’ity ady atao amin’ny ampahoriana ity », hoy ihany ny dokotera Marie-Claude Lénès.

Fomba fandraisanana an-tanana

« Avy amin’ny retsika dimy no andraisan’ny saina ny ratra na ny dona mihatra aminy. Miraikitra ao izany ary mila fahaizana ny manala azy indray. Ny voalohany indrindra atao dia ny mampahafantatra sy ny faneken’ilay olona fa tratry ny ampahoriana izy. Aorian’izay dia manafaka azy amin’izay dona miteraka ratra ara-tsaina mahazo azy izay », hoy ihany ity dokotera vehivavy manam-pahaizana manokana ity. Nanisy fanamarihana ihany koa anefa izy fa tsy vitan’ny olona na fikambanana iray ny famongorana ny ampahoriana. « Tsy maintsy miara-manaiky sy mandray andraikitra daholo, indrindra ny mpitondra raha mitady vokatra tsara amin’ny fialana amin’ny ampahoriana », hoy izy.

Ny vokatra andrasana

« Samy hafa ny fomba firesaky ny olona iray nahazo fiofanana mahakasika ny ampahoriana sy ny olona tsy mahalala mahakasika izany mihitsy. Any amin’ireo firenena izay efa nalehanay dia, na ny zandary, na ny polisy na ny mpamonjy voina dia mandefa avy hatrany amin’ireo fikambanana na sehatra ahafahana mandray an-tanana ireo olona tratry ny ampahoriana. Na ny tsy fandriampahalemana aza araka izany dia azo sorohina tsara raha tafita any amin’ny tsirairay ny fisorohana izay omenay mandritra ny fanofanana ireo olona voakasika amin’izany », hoy kosa i Jean Boivin.

Dokotera malagasy voakasika

Misy dokotera malagasy iray ihany koa nandalina mahakasika ity ampahoriana ity. « Azoko lazaina fa vavolombelona nioty vokatra tsara tamin’ny fandalinanana ny ampahoriana aho tany La Réunion. Mahakasika antsika malagasy manokana raha hijery ny tantaram-pirenena dia betsaka ireo tranga nampisy ny olona tratry ny ampahoriana. Isan’ireny ny taona 1971 izay nisian’ny olona maty maro tany atsimon’ny Nosy, ny 1972 krizy teto an-drenivohitra, ny 1975 nahafaty ny kolonely Ratsimandrava, ny 1985 nisian’ny raharaha kung fu nahafaty ireo mpikatroka maromaro, ny 1991 teny Iavoloha   nahafaty olona am-polony maro , ny krizy niteraka fifandonana tamin’ny 2002 izay nisy ny maty sy nitondra taikaitra ary ny 7 febroary 2009 teny Ambohitsorohitra nahafaty olona am-polony maro ihany koa. Ireo rehetra ireo dia niteraka fahatsiarovana ratsy ka manjary mahatonga ilay ratra an-tsaina na ho an’ireo fianakaviana, na ho an’ireo namana akaikin’ireo olona voakasika na ho an’ny olona tsotra fotsiny amin’izao », hoy kosa ny dokotera Alice Ranorojaona, isan’ireo nandalina mahakasika ny ampahoriana.

Fiofanana ho an’ny Malagasy

Ny alarobia izao dia mikarakara fanomezam-piofanana eny amin’ny Tranombokim-pirenena eny Anosy ny fikambanana Fmcsf. « Tsy manao politika no sady tsy miankina na amin’iza na amin’iza ny fikambananay. Mandalo eto Madagasikara izahay satria misy ny fikambanana tsy miankina ihany koa maniry ny hanaovana fiofanana eto, tahaka ireo firenen-kafa. Mino izahay fa hitondra voka-tsoa ho an’ny Malagasy izany fanofanana ataonay izany », hoy kosa i Jean Boivin.

« Nasaina hanatrika io fiofanana io daholo ireo solontena izay heverina fa voakasika mivantana amin’ny fisorohana ny ampahoriana. Hatramin’ireo mpitsabo nentim-paharazana aza dia nantsoina ihany koa », hoy kosa ny dokotera Alice Ranorojaona izay tompon-kevitra tamin’izany fanofanana izany. « Fanasitranana ny ferin’ny tantara amin’ny fialana amin’ny toeran’ny ampahoriana ». Io kosa no lohahevitra mandritra ny fanofanana.

Soratra : Faralala -Sary : Faralala, tahiry


Traduction française par le docteur Alice RANOROJAONA-PELERIN

Jean Boivin et Dr Marie Claude Lénès, spécialistes en victimologie.

Les personnes qui ont une blessure psychique ne sont ni folles ni malades. La blessure psychique résulte d’un traumatisme que la personne a subi dans son histoire, qui laisse une empreinte et a des conséquences sur sa vie quotidienne par la suite. Il est tout à fait possible de s’en affranchir et cela ne demande pas forcément beaucoup de séances. Sortir la personne de son état de victime:  c’est de cela que s’occupe la victimologie, précisent ces spécialistes.

Cette discipline n’était pas connue à Madagascar jusqu’à présent, bien que les traumatismes soient omniprésents dans la vie quotidienne. Il y a un projet de mettre en place des lieux de formation avec le concours de l’association « Formation Médicale Continue Sans Frontière » , FMCSF, qui réunit plusieurs spécialistes de cette discipline dont quelques uns sont actuellement de passage à Madagascar.

« Cela fait une trentaine d’années que je travaille et que j’échange avec des experts en victimologie  et en psycho trauma à travers le monde.Nous avons travaillé en Amérique, en Europe, au Maroc et dans la zone Océan Indien. Cela nous a permis de mettre en place un dépistage et une prise en charge appropriés pour les personnes victimes d’un psycho traumatisme » souligne le Dr Marie Claude Lénès, qui est une des spécialistes de la victimologie arrivés à Madagascar vendredi dernier.

Les victimes

Selon l’explication de cette experte, la victime peut être confrontée à différents types de violence, physique, psychique, économiques par la perte de tous les biens, sur le plan individuel ou en groupe. Il y a aussi la violence envers les enfants.

Tout cela a un impact et imprègne la vie quotidienne de la personne.

Les conséquences du traumatisme

La personne victime de psycho traumatisme peut avoir un comportement incompréhensible à son entourage et arriver à commettre des actes qui dépassent sa volonté, pouvant aller jusqu’au suicide s’il n’y a pas une prise en charge de ses troubles, et leur reconnaissance par la société. « Bien qu’elle ne soit pas malade psychiatrique, elle peut présenter des troubles psychologiques en rapport avec l’évènement qu’elle a subi » nous dit Jean Boivin, Directeur de FMCSF de Montpellier-France, également de passage actuellement à Madagascar.

Le personnel de la Police, de la Gendarmerie et de la Justice concerné.

Ces experts en victimologie soulignent qu’il ne sera pas possible de donner une formation à tout un chacun. « Dans les pays qui nous ont demandé d’intervenir, les formations étaient adressées au personnel des structures d’Etat, telle la gendarmerie, la police, du ministère de la Justice, ou des structures sociales ou encore différents types d’associations. Nous avons pu constater l’intérêt que tous ces corps de métier ont porté à ces formations de victimologie » nous dit encore le Dr Marie Claude Lénès.

La prise en charge

« L’impact du traumatisme sur le psychisme se fait par les cinq sens. Il vient s’enkyster dans l’appareil  psychique et il y a une méthode précise pour soigner cela. Il faut d’abord reconnaître l’évènement traumatique et son impact et le faire accepter par la personne victime, avant de procéder au traitement qui va la sortir de cet état de victime » rappelle encore la spécialiste. Ceci dit, ce n’est pas l’affaire d’une seule personne ou d’une seule association. La prise en charge du psycho  traumatisme implique la reconnaissance et la prise de responsabilité de tous, en particulier les structures d’Etat, si on veut obtenir les meilleurs résultats en victimologie.

Les résultats attendus

« Le discours et l’attitude de ceux qui ont reçu une formation diffèrent du tout au tout de ceux qui n’en ont pas reçu. Dans les pays où nous sommes intervenus, les gendarmes, les policiers et les secouristes adressent d’emblée les victimes aux organismes et associations de prise en charge. On peut dire que la formation que nous allons dispenser sur cette prise en charge constitue une prévention des désordres que peut occasionner un psycho traumatisme au niveau de la vie individuelle et sociale, et qu’elle va contribuer à la sécurité au niveau du groupe qui va la mettre en oeuvre », dit Jean Boivin.

Médecin malgache concerné.

Il y aussi une femme médecin malgache qui s’est formée en victimologie. « Je suis bénéficiaire de cet enseignement que j’ai reçu à La Réunion et peux témoigner du bienfait que cela apporte . Cela nous concerne, nous Malgaches, en particulier, si nous regardons notre histoire avec des évènements traumatiques répétés qui ont fait de nombreuses victimes, tels les évènements dans le Sud en 1971, dans la capitale en 1972, l’assassinat du Colonel Ratsimandrava en 1975, l’affaire des Kung Fu en 1985 qui a fait des morts, à Iavoloha en 1991 avec plusieurs dizaines de décès, la crise de 2002 qui a fait des morts et des handicapés, les évènements d’Ambohitsorohitra du 7 février 2009 qui ont fait encore des dizaines de morts. tous ces évènements ont laissé des traces et des blessures auprès des personnes concernées, des familles, des amis et proches et ceux qui l’ont vécu », dit le Dr Alice Ranorojaona qui s’est spécialisée en victimologie.

Ces nombreux décès et blessures peuvent être responsables de psycho traumatisme.

Formation pour les Malgaches

Mercredi prochain, l’association FMCSF organise une session de formation à la Bibliothèque Nationale à Anosy. « Notre Association ne fait pas de politique et est complètement indépendante. Nous sommes venus à Madagascar, à la demande d’une autre association apolitique et tout aussi indépendante, qui souhaite apporter cette formation ici, comme cela a été fait dans d’autres pays. Nous sommes persuadés que la formation que nous allons dispenser sera très bénéfique aux Malgaches » dit Jean Boivin.

« Tous ceux qui sont concernés par la prise en charge de victimes, y compris les tradipraticiens, ont été conviés à cette journée de formation » nous dit le Dr Alice Ranorojaona qui est à l’initiative de cette journée de sensibilisation. « Soigner les blessures de l’histoire en sortant de l’état de victime » a été l’intitulé de cette formation.

textes : Faralala – images; Faralala, Tahiry.